Mitohy ny fifanenjehana eo amin’ny dahalo sy ny miaramila any Midongy Atsimo
Mirongatra ny asan-dahalo tao anatin’ny andro maromaro izany ary efa maro ireo fanakaviana lasibatra tao anatin’izany. Na dia eo aza ny asa fampandrian-tany ataon’ireo miaramila any amin’ireny toerana be dahalo sy anjakan’ny halatr’omby ireny, manao ny ataony hatrany ireo dahalo ary mihamasiaka andro aman’alina. Ao anatin’ny fiomanana tanteraka ireo miaramila avy amin’ny DAS sy BOA amin’izao amin’ny fanenjehana ireo dahalo miisa 300 nanafika tany Midongy Atsimo ny alahady lasa teo. Miaramila avy ao amin’ny tafika Iakora sy angidimby maro no manao ny fikarohana ireo dahalo amin’izao fotoana ary tsy maintsy hisy ny fifandonana. Nozarain’ireo dahalo 2 ny omby miisa 1300 izay azony tao an-tanàna ka ny andiany voalohany nianavaratra ary ny faharoa kosa nianatsimo. Efa mipetraka any amin’ireo vava-lalana sy kizo mety andalovan’ireto dahalo ireto amin’izao fotoana ny miaramila maro notanterin’ny angidimby avy ao amin’ny tafika. Miha-mafy sy miha-maro ny fanafihana sy halatra ataon’ireo dahalo amin’izao fotoana. Efa manao izay ho asany ireo mpitandro ny filaminana saingy vao maika miha-mirongatra izy izao. Ireo vahoaka izay mandry andriran’antsy isanandro ny amin’ny tahotra ireo dahalo. Asa hoe ahoana no ho ataon’ny fanjakana amin’izany dahalo miisa 300 indray manafika tanàna iray izany.
Ally Herisoananahary
