ActualitésTsidika

Toamasina : Fifidianana filoha lefitry ny Antenimierampirenena

Tsy mitatitra ny hetahetam-bahoaka any amin’ny tompon’andraikitra irery ihany akory no anjara andraikitry ny solombavambahoaka eto Madagasikara. Betsaka ny asa miandry azy ireo eo amin’ny raharaham-pirenena ary isan’ny miantoka ny aim-pirenena mihitsy aza satria izy ireo no mifidy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena. Ny faritanin’i Toamasina izao no nanatanteraka ny fifidianana izay ho filoha lefitry ny antenimierampirenena. Ary notanterahina androany Talata 25 May izany fifidianana iznay tany an-toerana. Ramatoa Irmah Naharimamy Lucien izay kandidà tokana, natolotry ny IRD, no lany tamin’ny isa 87 tamin’ny Solombavambahoaka 97 tonga nifidy izany hoe 90%. Efa Filoha Lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita tamin’ny taona 2011 ary mpikambana tao amin’ny Filan-kevitra Ambonin’ny tetezamita tamin’ny taona 2012 i Irmah Naharimamy. Efa Voafidy ho Solombavambahoaka tao amin’ny Distrikan’i Mahanoro ihany koa tamin’ny taona 2014 ary Solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’ny Toamasina I tamin’ny taona 2019. Efa nitana andraikitra maro teo amin’ny firenena izy araka izany. Asa lehibe tokoa izany ary andraikitra mila finiavana sy fandavan-tena goavana mba hanompoana ny tanindrazana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire