Royaume-Uni : Elisabeth II, niara-niasa tamin’ny praiminisitra miisa 15 tao anatin’ny 70 taona nitondrany
Noraisina tao Balmoral i Elisabeth Truss ary nasain’i Mpanjakavavy Elisabeth II hanangana ny gouvernemantany vaovao.
Tao Balmoral, tanan’i mpanjaka vavy Elisabeth II any Ecosse no nandraisana antanana an’i Liz Truss izay ho praiminisitra vaovao eo amin’ny fanjakana. Ity no praminisitra faha 15 amin’ny gouvernemanta 16 satria i Harold Wilson dia voasafidy indroa tao anatin’izay 70 taona izay. Nanendry praiminisitra 170 ity mpanjaka vavy Elisabeth II ity nanomboka ny taona 1952 avy amin’ny alalan’ny commonwealth.
Niamboho ny Rainy dia i George VI izany ny taona 1952 ka izy no niakatra teo amin’ny fitondrana nandimby io rainy io ary teo anilany hatrany ny Praiminisitra Winston Churchill niaraka nitondra taminy ny firenena tamin’izany fotoana izany. Isaky ny talata no hiaonan’izy ireo hanaovana ny tatitra ny tetik’asa tao Royaume-Uni ary ihany koa hifampidinihana manokana sy handraisana lesona ary anatra avy amin’ny mpanajaka. Tetsy andaniny anefa nankalaizaina mihitsy fa i Harold Wilson no praminisitra nankafizin’i Elisabeth II indrindra. Ity praiminisitra ity izay teo amin’ny fitondrana ny taona 1964-1970 ary ny taona 1974-1976. Nandà ny hidiran’ny Royaume-Uni ao anatin’ny vondrona ekonomika eropeanina i général de Gaulle ka izay no nampiala azy teo amin’ny maha praiminisitra azy.
Nanomboka tamin’ny nitondrany dia nanendry praiminisitra 16 tao Nouvelle-Zélande izy, praiminisitra 12 ao Australie, ary praiminisitra 12 ao Canada ihany koa. Ny taona 2019 dia nitovy tamin’ny isan’ny praminisitry ny fitondran’i Georges III ny taonjato faha XVIII ny isan’ireo praiminisitra niara-niasa taminy.
