ActualitésTatitra

France : Zazalahy 10 tana no lavon’ny bala tao Nîmes

Lehilahy iray no avy tany amin’ny toeram-pisakafoana niaraka tamin’ny zanaky ny mpiray tampo taminy roa ny alin’ny altsinainy nifoha talata teo. Teo am-panajanonana ny fiara teo anoloan’ny tranony tao Gard ao Nîmes izy no nisy olona efatra misaron-tava nitifitra ny fiarany.

Manolona izany dia voatifitra tao amin’ny lamosiny io lehilahy io ary naratra mafy ihany koa ny iray tamin’ireo zanakin’ny mpiray tampo taminy. Avy hatrany dia namelona ny fiarany indray ilay lehilahy ary nanomjy toeram-pitsaboana. Fotoana vitsy taorain’izany dia namoy ny ainy ilay zazalahy 10 taona raha mbola tsaboina kosa ilay lehilahy.

Tsy lavitry ny toerana nisehoan’ny tranga kosa no hita ny fiara halatra nentin’ireo nahavanon-doza ary « douilles » maro no hita tao anatin’izany raha ny fanazavana.

Laisser un commentaire