ActualitésTsidika

MMA – Mixed Martial Arts : Iza moa i Rakotomaria Tsinjo Finiavana?

Mpanao fanantanjahantena mifototra amin’ny haiady maro mifangaro (Mixed Martial Arts) i Rakotomaria Tsinjo Finiavana, antsoina ihany koa hoe « Gou ». 23 taona izy amin’izao fotoana izao. Mbola tsy manambady fa mbola mipetraka min’ny ray amandreny.

Efa hatry ny fahakeliny izy no tia ireo fanatanjahantena somary misetrasetra na misy ady ady ireny, ka noho ny lehibe izy dia nirotsaka tao anatin’izay karazana fanatanjahantena mifangaro izay na ny MMA. Ao amin’ny klioban’ny Malagasy Top Team no misy azy. Raha mahakasika ny fizaran-tena ataony indray, manana mpampiofana  » jiujitsu » izy, manara-maso azy sy manoro ireo tekina entina miady. Miara manao fanazaran-tena amin’ireo efa tompon-daka eran-tany amin’ny Boxe Savate Française ihany koa izy.

Toa ireo tompon-daka mendrika rehetra, manana nofinofy mba ho lasa tompon-daka maneran-tany eo amin’ny taranja MMA i Gou. Anisan’ny mpilalao sangany, mamiratra ary maro mpanohana izy raha eto amintsika.  Raha tsiahivina, efa nandray anjara tamina fifaninana iraisam-pirenena teo amin’ity taranja ity izy ary mbola anisan’ny voafantina handray anjara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena izay atao amin’ny volana oktobra ho avy io, izay hiomanany tanteraka amin’izao fotoana izao; « Hitondra avo ny voninahitr’i gasikara ka handrobaka medaly volamena mandritra ny fifaninana iraisam-pirenena amin’ny MMA » hoy i Gou.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire