ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Misy ny fampianarana ny taranja aramaroseho Kung-fu wisa

Misy ny fampianarana ny taranja aramaroseho kung-fu wisa ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Amin’izao fotoana izao, mbola mitohy ny fandraisana ireo mpianatra vaovao na liana te hikatroka ao anatin’ny taranja ity.

 » Ny kung-fu wisa dia sady fanatanjahan-tena no fitaizana ny ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Afaka manao izay avokoa na lahy na vavy na ankizy. Manomboka amin’ny 4 taona  ka hatramin’ny 60 taona » hoy ireo tomponandraikitra.

« Mitohy ny fandraisana mpianatra vaovao amin’izao. Hanasana ireo liana na te hikatroka ao anatin’izany taranja izany satria taranja maro no hianarana ao anatiny ary amin’ny saram-pianarana mora » hoy hatrany ny fanazavana.

Manomboka amin’ny 5000 ariary moa ny sarany ho an’ireo ankizy 4 taona. Isaky ny sabotsy sy alahady amin’ny roa tolok’andro kosa ny fampianarana amin’izany, izay atao ao amin’ny Ambolotara, Sabotsy Namehana.

Manitra R.

Laisser un commentaire