Hetra : Nampidirina miandalana ao Anosy sy Androy ny e-hetraphone
Dépêche 02 mai, 14h, Nampidirina tamin’ny fomba ofisialy tao Anosy sy Androy ny e-hetraphone. Araka izany dia afaka ny hampiasa izany fitaovana fanamorana fiainana izany ireto faritra roa ireto manomboka izao. Ny e-hetraphone moa raha ampatsiahivina dia fitaovana iray ahafahana mandoa ny hetra amin’ny fotoana rehetra sy tsy mandany fotoana. Manala ny fivezivezena sy ny fandaniana fotoana ity fitaovana iray ity, mora sady tsottra ihany koa ny fampiasana azy. Miara-miasa amin’ireo orinasam-pifandraisana isan-karazany ny Fitantanana ankapobeny ny Hetra. Manoloana izany anefa dia aiza no ahitana vola handoavana io hetra io raha tsy afaka miasa noho ny anoanana. Inona no tokony ho laharam-pahamehana ?
