Etats-Unis : Sazy 18 volana an-tranomaizina no mety ho azon’ilay mpikirakira fitaovam-piadiana tao anatin’ny horonan-tsary « Rust »
Sazy 18 volana an-tranomaizina no mety ho azon’i Hannah Gutierrez-Reed, ilay mpikirakira ny fitaovam-piadiana, nandritra ny fanodinana ny horonan-tsary « Rust » tany Amérique, ny volana oktobra 2021. Izy izay voampanga ho nitifitra ka nahafaty ilay talen’ny fakana sary, tsy an-tsitra-po, nandritra ny fanodinana izany horonantsary izany. Ny alarobia teo no niakatra ny fampanoavana tao amerika ity raharaha ity. Tao anatin’ny roa herinandro mialohan’ny fitsarana ity raharaha ity, niteraka ady hevitra teo amin’ireo manam-pahefana ny antony nampisy ireo bala tena izy nandritra ny fanodinana horonantsary. Etsy ankilany, nanamafy ny mpanatontosa ity horonantsary ity fa tokony ho « balles à blanc » no nampiasaina sy tokony tao anatin’ny basy, kanefa izao niteraka fahafatesana ho an’ny talen’ny fakana sary izao.
