ActualitésTsidika

Anjeva:  Vohitra roa hafa tao amin’ny fokontany Ambohidrazana no nahazo foto-drafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio

Mbola tao amin’ny fokontany Ambohidrazana hatrany no nanatanterahana ny hetsika ben’ny tanàna mitety vohitra, tao amin’ny kaominina Anjeva Gara. Vohitra roa hafa tao an-toerana indray no notsidihina ary nametrahana foto-drafitr’asa ho an’ny rano fisotro madio,  araka ny voalaza.

« Namaraparana ny fitsidihana teto amin’ny fokontany Ambohidrazana ny fiadidian’ny kaominina Anjeva gara, mialohan’ny hitsidihana fokontany hafa indray. Tahaka ny mahazatra, nisy ny fametrahana foto-drafitr’asa vaovao ho an’ny rano fisotro madio ho an’ny vahoaka teto an-toerana” hoy ny ben’ny tanàna miadidy ny tanàna.

“Foto-drafitr’asa tsy afa-misaraka amin’ny mponina ny foto-drafitr’asa hahazoana rano fisotro madio, indrindra fa ho an’ny mpianatra. Miantoka ny fahasalamana sy ny fahadiovana ety an-tsekoly ny fahatongavan’ny rano ety izao ka hisaorana feno ny tomponandraikitra” hoy ny avy amin’ny sekoly.

Ny vohitra Ambohidrazana izay nahazo paompy telo isa, miampy fanasana tanana ho an’ny mpianatra ao amin’ny EPP sy fanasana tanana ho an’ny mpianatra ao amin’ny sekoly Katolika no natolotra tao an-toerana. Ankoatra izay, nametrahana foto-drafitr’asa ihany koa vohitra Miakandrefan-doha nomena paompy telo isa ihany koa.

Laisser un commentaire