ActualitésTatitra

Nigéria: Miaramila 15 no maty ary 6 no tsy hita nandritra ny ady fampihorohoroana

Tratra tamin’ny fandrika nataon’ireo vondrona mpampihorohoro mitam-piadiana ny mpitandro ny filaminana Nigérien ny sabotsy teo tao atsimo andrefan’i Nigéria, akaikin’ny sisin-tanin’i Burkinabè. Rehefa tonga hamonjy azy ireo ny miaramila Nigérien dia sendra fitaovana iray nipoaka. Miaramila 15 no namoy ny ainy tamin’izany, fito no naratra ary enina no tsy hita.Nanazava ny minisitry ny fiarovam-pirenena Nigérien ny 1 aogositra teo fa nodidin’ireo mampihorohoro ireto aloha ireto miaramila ireto ary teo ampanalana izay naratra tao amin’ny fiara izy ireo no nisy baomba nipoaka tampoka. Efa miara miasa ankehitriny ny tafita an-tanety sy ny an’habakabaka hisambotra ireto mpampiorohoro ireto.

Laisser un commentaire