ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Havaozina sy hatsaraina ireo biraom-pokontany

Miroso amin’ny fanavaozana sy ny fanatsarana ireo biraom-pokontany ao aminy ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika amin’ny fiatrehana ny fetim-pirenena izany.

« Ny loko mitovitovy amin’ny sainam-pirenena no ampiasaina sy nifanarahana ho fanomezana endrika vaovao ny toerana. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Ny fifanomezan-tanana eo amin’ny kaominina sy ny sekoly no ahafahana manantontosa izao asa izao. Isika rehetra kosa dia entanina hatrany hahay hanaja sy ho sarotiny amin’ny fotodrafitrasa iombonana toy izao » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

Ny fihetsika fanajana ny fananana iombonana tokoa no isan’ny toe-tsaina liam-pandrosoana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire