ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana

Hisy ny fitiliana faobe maimaimpoana ny 18 Jona 2022 ao amin’ny Kaominina Ambohimangakely. Fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Leo Club Antananarivo ary ireo mpiara-miasa hafa ity hetsika ho an’ny fahasalamana ity. « Ny areti-maso sy diabeta, ny VIH, ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nonon ary ny maro hafa no hotiliana mandritra io fotoana io. Eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hatrany ity hetsika ity » hoy ny avy ao amin’ny Leo Club Antananarivo tanana Arivo. « Hasaina isika rehetra manana olana ara-pahasalamana ho tonga mandritra ity hetsika maimaimpoana ity. Hofitsinjovana ny fahasahiranana manoloana ny fitsaboana no nanaovana izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimangakely.

Antoky ny fampandrosoana tokoa ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy mety ny mitsabo tena fa aleo manatona manam-pahaizana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire