Ankadikely Ilafy : Notsofina rano ireo mpanala fanadinana Baccalaureat
Notontosaina ao amin’ny FJKM Ankadikely ny fitsofan-drano ireo mpianatra hanala ny fanadinana Baccalaureat ao amin’ny Lycée Moderne Ankadikely Ilafy. Marihina fa hanomboka ny 18 jolay ity fanadinam-panjakana ity manerana ny nosy.
« Sahy no anarana isaloran’ireto mpianatra iray tarika ireto. Efa azo lazaina ho vonona tsara hiatrika ny fanadinana izy ireo » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sekoly. « Mirary soa anareo mpianatra hanala ny fanadinana Baccalaureat izahay avy eto amin’ny Kaominina. Misaotra sy mankasitraka ny mpanabe isan-tsokajiny ihany koa tamin’ny ezaka ho an’ireo zanatsika ireto » hoy ny ben’ny tanàna ao Annkadikely Ilafy, Rajaonah Rija.
Ireto tanora ireto tokoa no reharehan’ny tanàna rahatrizay. Hirariana ny mba hiatrehan’izy ireo ny fanomanana ny fanadinana ao anatin’ny filaminana.
Nicole Rafalimananjara
