Alasora : Manao ny asany ireo mpitandro filaminana sy ny andriamasom-pokonolona
Nisy olona iray tra-tehaka saika hangalatra ireny jiro vao napetaka hanazava ny tanàna ireny teny Alasora. Mitohy hatrany ny asa fitandroana ny filaminana ataon’ireo Kaomisaria miaro ny filaminam-bahoaka sy ny Zandary ao amin’ny Kaominina Alasora amin’izao fotoana izao. »Betsaka ny fitarainana ary tsy hipetra-potsiny manoloana izany izahay fa tsy maintsy mandray andraikitra amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny tanàna » hoy ny mpitandro filaminana. « Namoakatra indray ny fiaraha-miasa’ny Zandary sy ny andrimasom-pokonolona tany Antanety Miadana fa tratra ireo mpianika tambohon’olona sy mpangalatra jiro vao napetraka mandeha amin’ny herin’ny masoandro irony ka mila tohizana hatrany ny ezaka mba handrosoan’ny kaominina » hoy ny ben’ny tanànan’Alasora, Randriantsoa Jimmy. »Ny fidorohana zava-mahadomelina no tena mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana eto ka tao ny namany efa tratra izay tokony mbola ho atao sava hao ny namany hafa fa tena mijaly ny mponina » hoy i Rolland, mponina ao amin’ny Fokontany Miadana Alasora. Zava-dehibe tokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mponina satria tanjona iraisana ny fandriam-pahalemana ary hiara-hisitraka izany ihany ny rehetra avy eo. Rahoviana anefa vao tena ho faona ny toy izany ?
Nicole Rafalimananjara
