ActualitésTatitra

Maurice : Nahazo tombony 1 500 tapitrisa Rs ny Air Mauritius ny taona 2021/2022

Raha ny tatitra dia nirakitra « chiffre d’affaires » 6 500 tapitrisa Rs ny Air Mauritius nandritra ny « année financière » 2021/2022. Manoloana izany dia nahazo nahazo tombony 1 500 tapitrisa Rs. Raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny orinasa dia heverina fa ahitam-bokany tsara lavitra noho izany ity taona 2022/2023.

Miroborobo kokoa ny sehatry ny fizahantany ka mihazakazaka kokoa ny « rendement » hoy izy. Efa miverina mandeha any ivelany ihany koa ny mponina ao amin’ny nosy taorian’ny Covid-19.

Raha ny tarehimarika hita ao amin’ny Registrar of Companies nefa dia nihoatra ny vola niditra ny « cost of sales » izay nahatratra 10 700 tapitrisa Rs. Anton’izany ny « Gross profit » niiba 4 300 tapitrisa Rs.

Laisser un commentaire