Ambohimangakely : Lehilahy nisandoka ho manamboninanhitra voasambotry ny zandary
Lehilahy iray 64 taona, nitonona ho kolonely Lisy, izay anarana nentiny nisandohana sy nisolokiana no tratran’ny zandary avy ao amin’ny poste Avancé Soamanandrariny, brigadin’Ambohimangakely, ny talata 08 aogositra teo. Tsy vitan’ny nisoloky fa nisandoka andraikitra ho manamboninahitra ambony mitondra ny galona kolonely ity lehilahy ity, araka ny voalaza.
“Nilaza ho mahatafavoaka olona manefa sazy, migadra eny am-ponja mandra-pahafatiny ity lehilahy nisandoka ho kolonely ity ka nakàny vola mitentina 4.500.000 Ariary ny fianakavian’ilay olona nosolokiany. Vao voarainy anefa ny vola dia nanjavona tsy hita izy ny volana Janoary 2021” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.
“Ny ratsy tsy kely lalana. Maro ireo olona mahavita misandoka sy misoloky ary mandrahona tahaka izao raha manana olona voatazona eny amin’ny fonja na mikarakara olona voafonja eny an-toerana. Ilaina hatrany ny fahamailona ary tsy tokony ho sodokan’ny resaka ivelany satria efa maro ny mahavita zavatra tsy ampoizina amin’izao fotoana izao” hoy i Faneva, mpandraharaha eny amin’ny fonja.
Maro ireo misoloky sy misandoka amin’ny fomba rehetra eny amin’ny sampan-draharaha isan-karazany eny, ilaina hatrany ny fahamailona ao anatin’izany. Marihina moa fa ity lehilahy dia efa indroa nigadra tao amin’ny fonja Antanimora sy Tsiafahy, nandritra ny folo taona noho ny halatra fiara ary nigadra valo volana noho ny fisolokiana afaka mandefa olona hiasa any amin’ny nosy Seychelles.
Manitra R.
