Maldives : Omena « carte de fidélité » ireo mpizaha-tany
Miezaka mampiroborobo hatrany ny sehatry ny fizahan-taniny i Maldives. Mba hisarihany ireo mpizaha-tany hiverina ao aminy dia nanapa-kevitra ireo manam-pahefana fa hozaraina « carte de fidélité » ireo mpizaha-tany tonga ao an-toerana. Isaky ny manitsaka ny sisintany izy ireo dia mahazo isa sy fanomezana.
Antsoina hoe « Maldives Border Miles Program » io tetik’asa io ary toy ny fizotran’ireo « carte de fidélité » any amin’ny orinasam-pianamanidina ireny no fandehany. Misy ny ambaratonga samihafa toy ny « carte bronze » ho an’ireo sambany vao nakao an-toerana, ny volafotsy ary ny volamena arakaraky ny ahamaroan’ny fitsidihan’ilay mpizaha-tany ny nosy.
Isaky ny mandalo ny fadintseranana ao an-toerana ny mpizaha-tany dia mahazo isa ary mahazo loka toy ny fihenan’ny vidin’ny sakafony, fahazoana « activité » maimaimpoana ary hatramin’ny fikarakarana lanonam-panambadiana na volan-tantely … Misy kosa ny fisoratana anarana raha te hisitraka io « carte de fidélité » io. Efa 1 tapitrisa mahery ny misitraka izany amin’izao fotoana.
