Toamasina II : Mijoro hatrany ireo mpiofana vaovao amin’ny fandraharahana ny fonja
Mpianatra miisa 500 avy amin’ny faritra 23 no nahavita fiofanana tao amin’ny Sekolim-panjakana momba ny fandraharahana ny fonja na ny ENAP tao Antetezambaro Toamasina II. Misalotra ny anarana « Mijoro » ireto andiany faha 14 indray mihira ireto.
« Ianareo no taninketsa vaovao hitondra filaminana eto amin’ny tany sy ny firenena. Mahatoky anareo izahay fa hampihatra ny fiofanana rehetra araka ny tokony ho izy ianareo » hoy ny Tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja izay nisolo tena ny Minisitry ny Fitsarana. « Mahavelom-bolo tokoa ny tahaka izao. Manantena izahay vahoaka fa hihena hatrany ny tsy fandriam-pahalemana izay sakana tsy mampandroso antsika eto Madagasikara » hoy i Helene, mponina ao Antetezambaro.
« Vonona hampandroso ny firenena ary hanao ny asa araka ny tokony ho izy. Hanompo ny vahoaka sy ny tanindrazana izahay mba tsy ho raraka an-tany ny tolona efa nataon’ireo razambe hoy i Ricardo, isan’ireo andiany « Mijoro ». Hirariana mba tena hijoro am-pahamarinana tokoa, hijoro ho vavolombelon’ny fampandrosoana ny firenena izy ireto. Voninahitra ho an’ny firenena ny fisiany izay hanentanana ny tanora hirotsaka an-tsehatra hampajaka ny filaminana eto amintsika.
Nicole Rafalimananjara
