Fanaovam-beloma ny Kolonely ANDRIANAMBININA Olivier
23 Desambra, 07h30. Ho tontosaina anio 23 desambra 2021 eny amin’ny Toby Ratsimandrava amin’ny 10ora sy sasany ny fanaovam-beloma farany ara-pomba miaramila ny Talen’ny fiarovana teo anivon’ny Primatiora, ny Kolonely ANDRIANAMBININA Olivier, maherifon’ny firenena, lavo teo am-panatanterahana ny andraikiny ho famonjena ny mpiray Tanindrazana. Hatrehin’ny Filoham-pirenena izay Filoha faratampon’ny Foloalindahy izany.
