ActualitésTsidika

Amoron’i Mania : Basy tsy ara-dalàna miisa 116 no nisy nanatitra

Basy tsy ara-dalàna miisa 116 no nisy nanatitra tao amin’ny Zandarimaria any amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Izany dia noho ny fanentanana mikasika ny iray volan’ny famotsoran-keloka ho an’izay manatitra an-tsitra-po.

« Ny 115 tamin’ireo basy dia basy gasy avokoa raha ny iray kosa no basim-borona. Nisy bala 8 ihany koa niaraka tamin’ireo basy ireo » hoy ny avy ao amin’ny tobin’ny Zandarimaria ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania. « Mitohy hatrany ny fanentanana ho fampanjakana hatrany ny fandriam-pahalemana eo amin’ny faritra » hoy ny kaomandin’ny vondrotobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena Amoron’i Mania, Colonel Rarivomanana Joseph Martin.

« Tena mampihena ny tsy fandriam-pahalemana tokoa izao famotsoran-keloka izao. Betsaka anie ny olona te handry fahalemana saingy tsy maintsy manohy ihany noho ny fahatahorana sao ho tratra tamin’ireo efa vita » hoy i Olga, raim-pianakviana monina ao Ambalamanaka, faritra Amoon’i Mania.

Marihina fa ny tao amin’ny kaominina Ambalamanaka sy Ambatofitorahana no betsaka nanatitra indrindra. Mijanona ho tsiambaratelo hatrany ireo nanatitra basy ary tsy misy ny sazy ho azy ireo. Fotoana ihany koa izao hanoratana ara-dalàna ny basy any amintsika any izay hisorohana ny mety ho fanenjehana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire