RSE : Tonga maro ireo orinasa nanatrika ny atrik’asa hifanakalozan-kevitra mahakasika izany
Notanterahina ny alarobia teo ny atrik’asa izay nifampidinihana sy nifanakalozana hevitra mahakasika ny RSE sy ny lalana hatongavana amin’ny hoe fampiasana izany eo anivon’ny orinasa rehetra eto Madagasikara. Ny fikambanana BTC, miaraka amin’ny FCCIM sy ny CCIA, no nahatontosa izany hetsika izany. Maro ny orinasa tonga tao ary betsaka ihany koa ny hevitra afaka noraisina hampandrosoana ny foto-kevitra RSE eto Madagasikara.
« Nahafinaritra ny fifampizarana, voaresaka tao ny mahakasika ny RSE eto Madagasikara sy ny fomba mety hahomby hanatanterahana izany. Voaray tamin’ny resaka rehetra nifanaovana ny tsy tokony hanadinoana ny sehatra rehetra izay samy mitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ny firenena. Hatrany amin’ny sehatra kely indrindra izany ka hatrany amin’ny sehatra lehibe indrindra. Tena maro ny azo raisina hahafahana mampitombo indray ny fijery mahakasika ny RSE. Ireo mpandray anjara ihany koa samy efa resy lahatra ka nahafinaritra ny ady hevitra », hoy i Hasina Andriantseheno, tompon’andraikitra avy ao amin’ny BTC
« Ny RSE efa nisy foana hatrizay fa ny fomba fanehoana azy no samihafa teo amin’ny orinasa tsirairay. Tsara ny atrik’asa toy izao hahafahan’ny mpandray anjara rehetra mifanakalo hevitra sy mandray hevitra hafa. Masaka ao antsaina matetika ny hoe rehefa RSE dia ny reska tontolo iainana foana. Raha eto Madagasikara anefa dia azo hatao iahny koa ny mamorona sehatra hafa miala amin’ny mahazatra. Ity atrik’asa ity izao dia efa manampy ny tsirairay amin’izany », hoy ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny orinasa EDL, izay nandray anjara tamin’ny atrik’asa.
Raha fintinina dia niompana betsaka tamin’ny RSE eto Madagasikara ny resaka rehetra tamin’ny atrik’asa. Maro ireo vahiny nasaina no tonga ary samy naneho ny heviny avokoa mahakasika izany. Ny tena zava-dehibe dia ilaina ny fanohizana ny atrik’asa hahafahana mampiroborobo ny RSE izay mbola tsy fahita firy amin’ny orinasa madinika. Mbola ilaina ihany koa ny fampahafantarana izany amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka.
Miora Raharisolo
