Ankadikely Ilafy: Hisy “Spectacle goavana” hiarahana amin’ny mpanakanto malaza
Hisy ny fampisehoana goavam-be iarahana amin’ireo mpanakanto Malagasy, fanta-daza, izay atolotry ny kaominina Ankadikely Ilafy sy ny mpiara-miasa aminy, amin’ny alahady 30 jolay izao ao amin’ny kianja Fifankatiavana Ankadikely Ilafy.
“Mpanakanto telo fanta-daza no hiaka-tsehatra eto amin’ny kianja Fifankatiavana amin’ny alahady. Nael, Ceasar ary i Meizah no hanolotra seho. Hanomboka amin’ny 02ora tolak’andro ny fampisehoana ary hanentanana ny rehetra ho tonga maro” hoy ny mpikarakara.
“Fotoana iray hialana voly sy hiarahana amin’ny tapaka sy namana io fotoana io. Izy io moa dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny FLKAM sy ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ireo mpankafy sisa no handrasana satria ny fikarakarana rehetra dia efa vonona avokoa” hoy hatrany ny fanazavana.
Hiavaka ity fampisehoana ity satria tena hafana ny “ambiance”, raha ny voalazan’ny tomponandraikitra hatrany. 5000 ariary ny vidim-pidirana amin’ity fampisehoana ity.
Manitra R.
