ActualitésTatitra

La Réunion : Maherin’ny 600 ny vokovoko mena miasa ho an’ny vahoaka isan’andro

Any La Réunion ankehitriny ny Tale jeneralin’ny vokovoko mena frantsay, Jean-Christophe Combe. Hitsidika ny nosy izy ary hihaona amin’ireo ekipan’ny  vokovoko mena misy any an-toerana.

Miisa 300 ny mpiasa ao amin’ny vokovoko mena any La Réunion ary misy 280 mpirotsaka an-tsitrapo izay manampy ny mponina isan’andro. Nandritra ity valan’aretina ity no tena nahitana ny fiakaran’ny asan’izy ireo sy ny fitombon’izany hoy ny tompon’andraikitra. Nitantana ny ivon-toerana fihimbohana izy ireo nandritra ny krizy ara-pahasalamana, nahitana azy ireo ihany tany amin’ny seranam-piaramanidina ary nandray an-tanana ireo marary mila fanampiana.

Tamin’ny 2020 aza dia 48 444 ny olona nisitraka ny fanampiana ara-tsakafo avy amin’izy ireo tao La Réunion. Betsaka ihany koa ny hetsika ataon’izy ireo akoatra ny fanampiana manoloana ny aretina toy ny fizarana « Ideas Box » (trano famakiam-boky azo afindra toerana) ho an’ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra any Saint-Denis.

Laisser un commentaire