Maurice : Tovovavy 21 taona namoy ny ainy
Tovovavy kely vao 21 taona i Rajrani Bootna Pengwah no namoy ny ainy tao amin’ny Hôpitaly Victoria any Candos any Maurice ny alatsinainy 28 jona lasa teo. Raha ny valin’ny fizahana natao tamin’ny razana no lazaina dia tratran’ny “septicémie” ity tovovavy ity izany hoe aretina noho ny fisian’ny bakteria any anaty rà.Ny harivan’iny ihany no natao ny fandevenana azy. Isan’ny niharan-doza tamin’ny mponina tao Rivière-du-Rempart ity tovovavy ity noho ny fandorana fako nisy tany an-toerana dimy volana lasa izay. Izy no nandoro ny fako ary nanipy toaka tao anaty afo izy rah any filazan’ny vadiny. Taorian’izay no nahazahoany ny aretina ary tamin’io fotoana io aza dia nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly Pamplemousses izy ary tao nitsaboana azy voalohany avy eo tsy maintsy nafindra tany amin’ny hôpitaly Victoria ary izao namoy ny ainy izao.
