ActualitésTsidika

Kolontsaina : Miandry ny fanendrena izay ho talen’ny OMDA dia hiasa ny filakevim-pitantanana vaovao.

Raha tsiahivina dia 24 janoary 2023 lasa teo no natao ny fifidianana izay handrafitra ny filakevim-pitantanana vaovao hiasa eo anivon’ny OMDA satrai efa tapitra ny volana novambra teo ny fe-potoana tokony hitondran’ny mpitantana teo aloha. Ny filankevitry ny Minisitra hanendry izay tale hitantanana izany ivon-toerana izany sisa no andrasana dia efa afaka handray ny asany ireo mpikambana vaovao ireo.

« Efa nilamina ny savorovoro izay niteraka tsy fitovian-kevitra matoa vita soa aman-tsara ny fifidianana ary maro ireo nandray anjara tamin’izany dia nanodidina ny 960 teo izy ireo no tonga nanatrika izany. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana ka izay no nampilamina rehefa nisy ny fifanazavana ary nahatonga ny fahabetsahan’ireo mpifidy ireo izay manodidina ny 400 eo ihany isan-taona », hoy ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kiolontsaina nandritra ny resadresaka nataony tamin’ny fahitalavitra iray.

« Ny olana mahakasika ny hirahira sy ny fialam-boly tena atao ambony be toy izao foana. Tsy hiteny mahakasika ny atin’ireny fialamboly ireny aho satria maro no mety haratra. Ny mpanakanto na amin’ny tontolo inona na amin’ny sehatra inona dia manabe ary mamboly toetsaina amin’ny olona mandray azy. Ankoatra ny olana eo amin’ny fitantanana dia tokony hojerena akaiky ihany koa ny sehatra tsirairay mihitsy mba tsy hivoana amin’ny zavatra hafa. Ankoatra izany anefa dia mbola olana ambony kokoa ny vidim-piainana », hoy i Marcellin, mpandinika fiaraha-monina.

Na tsy nisy aza ny tale dia nitohy hatrany ny asan’ny OMDA, ary ambony ny tahan’ny vola azon’ny mpamorona voaangona. Tsy misy nokitihin’ny minisitera ireo vola ireo fa miandry ny fijoroan’ny filan-kevi-pitantanana vaovao sy tale dia afaka misitraka izany ny mpanakanto tsirairay, hoy ny minisitra. Etsy ankilany anefa dia mipetraka ny fanontaniana hoe mahakasika ny vola raisin’ny mpankanto ao amin’ny OMDA ihany ve no tena zava-dehibe sa ny fiarovana ny zon’ireo mpamorona sy ny kolontsaina malagasy iray manontolo mihitsy ?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire