Dépêches

Fanatanjahantena : Nahazo fifanarahana hilalao ao Algérie i Rakool

Dépêche 31 janvier, 11h, Mpilalao Malagasy nahafaty baolina betsaka indrindra tamin’ity CHAN ity i Koloina Razafindranaivo, fantatra amin’ny solon’anarana hoe « Rakool ». Noraisin’ny Mouloudia ao Alger hilalao ao aminy mandritra ny telo taona sy tapany izy taorian’iny lalao ampahefa-dalana ny asabotsy teo iny. Tao amin’ny CFFA Andoharanofotsy no ekipa farany nivoaran’ity mpilalao ao amin’ny Barea CHAN ity ary izay mihitsy no tanjona ao anatin’ny ekipa dia ny ahafahan’ny tsirairay mivoatra ka mahita ny lalana tsara handehanany. Vao 23 taona monja izy izao efa nahazo fifanarahana sahady izao, ary hirariana hatrany ny hiakarany amin’ny lenta ambony kokoa.

Laisser un commentaire