Mitaraina ireo mpianatra sy tompon’andraikitra ao amin’ny Les Orchidées Blanches Androhibe
Tsy mandry andro tsy mandry alina ireo tompon’andraikitra, ray amandreny sy ireo mpianatra amin’ny fanahiana sy ny fitaintainana isan-karazany manoloana izao zava-misy izao. Manampy trotraka ny efa fisian’ny valan’aretina koa anefa ho an’ireo ao amin’ny Les Orchidées Blanches Androhibe ny fisiana « pylone » miafina anaty hazo izay ahiana hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ireo mpianatra sy tompon’andraikitra ao. Roa herinandro teo moa izay no voalaza fa nahavitan’ity « pylone » ity ary efa niezaka niresaka tamin’ireo tompon’izy ity ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Les Orchidées Blanches mikasika ny ahiahin’izy ireo saingy mbola tsy nisy izany hatramin’izao. Miaina ao anaty tahotra ireo ray aman-dreny izay manana zanaka mianatra ao amin’ity sekoly ity ny amin’ny fahasalaman’ny zanak’izy ireo izay voasokajy ao anatin’ny olona marefo noho ny toe-batany. Miteraka homamiadana ny fisiana « pylone » manakaiky olombelona, hoy izy ireo, ka izany koa anisany fototry ny ahiahin’ireo ray amandreny. Nanatanteraka fitakiana teo anoloan’ny ivon-toeram-pampiarana noho izany ireo mpianatra sy ireo ray amandreny ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Les Orchidées Blanches eny Androhibe ary nanao fangatahana ny amin’ny mba hamindrana toerana ity « pylone » ity. Tsy nahitam-baliny anefa ny fitakiana sy fangatahana nataon’izy ireo tamin’ny tompon’andraikitra hatramin’izao ka mbola hitohy hatrany ny fitakiana. Fa inona marina moa izany no tena antony mahatonga azy ity afenina mafy sy mahatonga ireo tompon’andraikitra handa ny fifampiresahana ? Iza no nanome alalana azy ireo hametraka ity « pylone » ity eo ?
Ally Herisoananahary
