SocialTatitra

Firenena nahitana heloka be vava betsaka indrindra

Nandrakitra an-tsoratra ireo heloka be vava amin’ny fanavakavahana i Allemagne tamin’ny herintaona. Miteraka ny loza mitatao amin’ny filaminan’ny firenena io firaketana io, hoy ny Minisitry ny Atitany, Horst Seehofer ny talata 4 may lasa teo. 23 604 no isan’ny fanafihana nitranga tany Allemagne ny taona lasa teo. Nahitana fiakarana 5,7 % izany, raha ny tatitra natao ny taona talohan’izay ary isa ambony indrindra nandritra izay 20 taona nandraketana an-tsoratra ny isa izay. Ireo heloka bevava ireo izay manomboka amin’ny fandrisihana ny olona hifankahala ara-poko sy fihaviana ary miafara hatramin’ny famonoana olona. Ny fanafihana mihosin-dra sasany izay miseho amin’ny endrika fampihorohoroana. Raha tsy hiresaka ny famonoan’olona tamin’ny taona 2020 tao Hanau izay nahafatesan’olona sivy vahiny notanterahan’ireo mpampihorohoro. Ary herintaona talohan’izay ihany koa no namonoana ilay olona voafidy ho mpandala ny nentin-drazana sy mpandala ny politikan’i Angela Merkel amin’ny fandraisana ireo mpifindra monina izay novoina Allemand iray. Loza mitatao ho an’ny firenena izany, hoy hatrany ny Minisitra ary manampy trotraka amin’ny fitombon’ny fanavakavahana ao amin’ny fiarahamonina ity valan’aretina ity.

Laisser un commentaire