Champions League : Tafiakatra lalao famaranana ny Manchester City
Notanterahina alina tamin’ny 10 ora alina ora eto an-toerana ny lalao manasa-dalana ho amin’ny « Champion’s League » tamin’ny Paris Saint Germain sy ny Manchester City, lalao izay nampiantranoin’ny Manchester City. Nifarana hatreo ny dian’ny PSG izay misy ny ekipan’ny Kylian Mbappé raha ho amin’ity lalao indray mitoraka ity satria lavon’ny Manchester 2 noho ny 0 izy ireo. Tafiakatra amin’ny lalao famaranana araka izany ny Manchester City izay voalohany indrindra teo amin’ny tantarany ny nahatafiakany tamin’izany dingana famaranana izany. Tsy kivy anefa ny mpankafy sy ny mpilalao PSG fa ny manetsa be mbola ho avy.
