Tatitra

Espagne : Fihetsiketsehana tao Barcelone ho fanoherana ny fitazomana am-ponja ny mpanao rap iray.

Nidina an-dalambe ireo vahoaka tao Barcelone alina naneho ny fahatezerany noho ny fitazomana am-ponja ilay mpanao rap Pablo Hasél. Alina enina misesy izao no nanao fitakiana ny mpomba ilay mpanakanto, alina enina ihany koa nisian’ny fifandonana tamin’izy ireo sy ny polisy any an-toerana. Raha tsiahivina dia voaheloka hiditra amponja 9 volana ilay mpanakanto noho izy voalaza fa sady nanoratra teny maniratsira ny mpitandro ny filaminana no sady manembatsembana ny fitondran’ny mpanjaka.

Laisser un commentaire