Etats-Unis : Nilaza i Donald Trump fa afaka mamarana ny ady ao Ukraine ao anatin’ny iray andro
Nandritra ny dinidinik’i Donald Trump niaraka ny mpanao gazety ny GB News ny volana may teo dia nilaza ny tenany afaka mamarana ny ady ao Ukraine ao anatin’ny iray andro monja. Mbola nanamafy izany indray ny tenany nandritra ny fivahinianany tao amin’ny Fox News.
« Raha lany indray aho dia hampiasa ny fifandraisako tsara Volodymyr Zelensky sy Vladimir Poutine mba hitondrana azy ireo haingana eo amin’ny latabatry ny fifampiraharahana » hoy io filoha teo aloha io. Nanamafy izy fa fantany tsara i Zelensky sy Poutine ary tsara fifandraisana amin’izy ireo. Namaly azy kosa ny Fox News fa tsy ny fifandraisany tsara no hamaha ny fidarohana baomba saingy nilaza i Donald Trump fa vitany mampanao sonia fifanarahana ireo mpitondra roa ireo ao anatin’ny iray andro.
Raha tsiahivina dia kandidà amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2024 indray i Donald Trump.
