Etats-Unis : Tompondakan’ny MMA tanora indrindra eo amin’ny tantara i Jon Jones
Teraka ny 19 jolay 1987 i Jon Jones. Mpikatroka MMA ao Amérique ny tenany. Mbola tanora i Jon Jones no nisehatra teo amin’io taranja katrohany io ary vetivety ihany dia nisondrotra ambaratonga ambony teo amin’izany. Nahazo ny anaram-boninahitra tompondakan’ny lanja « mi-lourd » tao amin’ny UFC izy teo amin’ny faha 23 taonany manoloana an’i Mauricio Rua.
Mametraka an’i Jon Jones ho tompondaka tanora indrindra teo amin’ny tantaran’ny sokajiny izany hatramin’ny nanovana ny fifaninana ho fiadiana ho tompondaka. Marihana nefa vao telo taona monja izy no niditra teo amin’ny sehatry ny mantihanina tamin’izany.
Manana tombony ara-batana i Jon Jones raha hoarina amin’ny mpikatroka MMA hafa. Mirefy 1,93 m izy ary manana « envergure » 2,15 m. Indray mandeha resy kosa izy hatramin’ny nidirany tamin’ny taranja MMA ary mbola tsy resy tao amin’ny UFC.
