Portugal : Miavaka ny farihy Covao dos Conchos
Feno toerana miavaka eto an-tany, anisan’izany ny farihy Covao dos Conchos. Ao amin’ny tandavan’ny tendrombohitra Serra da Estrela no misy azy. Misy lavaka boribory mendrika riandrano ao amin’ity farihy ity izay mahatratra 4, 6 metatra ny halaliny.Tsy voajanahary nefa ity lavaka ity raha ny fanazavana, namboarina tamin’ny taona 1955 izy ary toha-drano no antony nanamboarana azy. Miverimberina ity rano ity izany hoe io rano lasa ao anaty lavaka io ihany no miverina eo amin’ny mari-drano. Mikoriana ao amina lakandro 1 519 metatra ihany koa ny rano mikoriana amin’io lavaka io ary makao amin’ny reniranon’ny Ribeira Das Naves sy Lagoa Comprida, 600 metatra ao amin’ny tandavan’ny tendrombohitra.
