France : Inona moa ny Bpifrance ?
Miasa betsaka eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny vola. Banky ho an’ny daholobe mpamatsy vola ao France ny Bpifrance, vondrona mpampindram-bola sy manampy amin’ny fananganana orinasa izy. Ny fiaraha-miasan’ny Oséo, CDC Entreprises, FSI (Fonds stratégique d’investissement) sy FSI Régions no nampisy azy. Ireo orinasa madinika sy antoniny ary ETI (entreprises de taille intermédiaire) sy orinasa manavao (entreprises innovantes) no tena sahaniny.Tsy banky feno ny Bpifrance raha ny fanazavana fa orinasa ara-bola noho izy tsy manana fahazon-dàlana (pas d’agrément bancaire). Ireo sehatra tsy miankina matetika no tena miara-miasa aminy ary indram-bola, antoka, famatsim-bola, fampiasam-bola ary fanampiasa ara-bola no tena iarahany miasa amin’ireo.
