SocialTatitra

Etats-Unis : Renim-pianakaviana voatifitra teo ampatoriana ny zanany

Renim-pianakaviana 23 taona monja i Mélanie Yates. Monina ao Zion ao andrefan’i Chicago izy sy vadiny Daniel ary ny zanany roa. Teo ampatoriana ny zanany 7 volana tao an’efitr’izy mivady izy ny nisy fifampitifirana tampoka ka nahavoa azy teo amin’ny lohany. Niazakazaka tao an’efitra ny vadiny rehefa naharehy ny feom-basy ary nahita fa oa teo amin’ny lohany i Mélanie Yates. Mbola nentina tany amin’ny hopitaly izy saingy tsy avotra intsony. Efa nisokatra kosa ny fanadiadiana mahakasika ireo fifampitifirana tao amin’ny toeram-ponenana’izy ireo ireo.

Laisser un commentaire