Brésil : Nahitana « Puma Concolor » tao Rio
Biby nosokajiana ho lany tamingana tao Brésil ny « Puma Concolor », tamin’ny taona 1930 no nahitana azy farany tao Brésil. Hita tamina fakan-tsary fanarahamaso tao Burle Mark tao amina valan-javaboahary tao andrefan’i Rio de Janeiro izy ny volana jona 2020 lasa teo. Nanomboka nanaraka akaiky azy ireo biolojistan’ny oniversiten’i Rio de Janeiro.Hita tamin’ny valan-javaboahary maromaro hafa izy tao aorian’izany ary efa misy vondrona raha ny fanazavan’ny biolojista Jorge Pontes. Efa voarakitra ho lany tamingana ity biby ity ao an-toerana efa 91 taona lasa izao, antony ny fahasimban’ny toeram-ponenany sy ny fihazana.Antsoina ihany koa hoe « lion de montagne » ny « Puma Concolor ». Manodidina ny 2, 3 metatra ny halavany ary maherin’ny 70 kg ny lanjany.
