Salvador : Olona 9 000 heverina fa mpikambana ao anaty « gangs » voasambotra
Nisambotra olona 9 000 heverina fa mpikambana ao anaty « gangs » ny manam-pahefan’i Salvador tao anatin’ny roa herinandro. Natao izany manolona ny vono olona nahatsiravina nahafaty olona 87 tao an-toerana teo anelanelan’ny 25 sy ny 27 martsa teo.Mbola mitohy ny ady amin’ny « gangs » hoy ny filoha ao an-toerana, Nayib Bukele. Ity farany izay tsikerain’ireo fikambanana misahana ny maha-olona eo an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena noho ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona.Voalohany tao anatin’ny 20 taona kosa i Salvador no nisambotra olona voarohirohy ho mpanao heloka bevava an’arivony tao anatin’ny fotoana fohy.
