Allemagne : Manana tetik’asa goavana ny « Porsche »
Lasan’ny « Porsche » ny 12,5% amin’ny orinasa holding HIF Global LLC ka miara-miombonantoka amin’ny fampandrosoana ny indostria hamokarana ny « eFuel » ao Chili, Etats-unis ary Australie izy ireo. Tanjon’izy ireo ny hamokatra solika hampandehanana ny fiara, na sambo ihany koa ary hatramin’ny fiaramanidina amin’io « eFuel » io.Singa ary hiadana amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana ny « eFuel » vinavinan’ny orinasa « Porsche » hanomboka any amin’ny atsasakin’ny volana any ny famokarana azy. Anisany miara-miasa amin’izy ireo amin’ny fanatanterahana io tetikasa io ihany koa ny Siemens Energy sy ExxonMobil.Vokarina amin’ny alalan’ny « hydrogène » sy ny « CO₂ » nalaina avy amin’ny rivotra tamin’ny alàlan’ny « énergie éolienne » ny « eFuel », manana fahefana mampiena ny « CO₂ » amin’ireo « moteurs à combustion » izy noho izany. 75 tapitrisa dollars kosa no ho ampiasain’ny « Porsche » hanatanterahana ny tetikasa.
