ActualitésTsidika

Avaradrano : Nisy ny atrik’asa mikasika ny haitarika amin’ny Politika

Notontosaina ny 17 martsa teo ny atrik’asa haitarika mirona amin’ny Politika ho an’Avaradrano. Ny loholon’i Madagasikara Ramanambitana Richard no nikarakara izany.

« Mahafinaritra tokoa ny ehtsika tahaka izao. Miainga amin’ny foto-pisainana ny fandrosoana. Isika mihitsy aloha no misafidy ny handroso vao afaka ny handroso » hoy ny Solombavambahoakan’Avaradrano, Dr Andriambelosoa Heriniaina. « Mety tsara eto Avaradrano ny tahaka izao. Manampy anay mpitondra hanana vina sy tanjona ho amin’ny fampandrosoana tokoa » hoy i Radafindranaro Thierry, filohan’ny Firalahian’ny Ben’ny tanàna Avaradrano (FIBA).

Betsaka ireo namaly ny antso, indrindra ireo olom-panjakana eto Avaradrano. Irariana ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao manerana ny Distrika rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire