ActualitésTsidika

Tamba-jotran-tserasera : Ny fahaiza-miaina rehefa mitady asa ao anatiny

Ny facebook, tweeter, Instagram, sy ny sisa, tamba-jotra maro mpampiasa eto Madagasikara, ary hevitra iray ahafahana mahita asa ho an’ny tanora indrindra indrindra. Arakaraka ny fomba fampiasana azy io no hazahoana tombontsoa ho an’ny tsirairay.

Betsaka ny asa mety hivoaka ao anaty tambazotran-tserasera io na avy amin’ny orinasa izany na avy amin’ny olon-tsotra. Mbola maro ihany koa nefa ireo tanora no mimenimenina ny amin’ny tsy fahitana asa. Misy fahaiza-miaina sasany anefa mahatonga ny olona tsy mahita asa raha ao anaty tambazotran-tserasera no mamaly ireny tolotra ireny.

Mety noho ny tsy fifehezana ny fampiasana azy na noho ny tsy fahaizana mamaly tolotra no mahatonga izany. « Ny asa tena misy ary betsaka fa ny ankamaroan’ireo tanora mitady asa dia mila fifehezan-tena amin’ny fomba tokony sy tsy tokony hatao rehefa mamaly, anisan’ny hitarafana ny maha matihanina azy ireny ihany koa ny fahaiza-miaina anaty sehatry ny asa ka hahafahana mandray azy ireo », hoy ity tompon’andraikitra aoamin’ny Ressources Humaines iray ity. Ny fanajana fotoana, ny fahadiovana, ny fanajana ny olona miresaka amin’ny tena, ny fahaizana manaja olona rehefa antsoina an-telefaonina dia zava-dehibe avokoa. « Misy amin’ireny ankizy ireny mahita tolota dia ny hafatra halefany voalohany aty amin’ny pejy dia hoe kaiza, mbola dispo ve io kandra io? Fiteny sy fanoratra tsy manaja izany amiko ka avy hatrany dia laviko », hoy i Fenohasina tompon’andraikitra ao amin’ny pejy facebook « Miss Litle Hand ».

Ampianarina sy tezaina ny tanora mba hahay hitady asa. Izany no ilaina ny fizaran’asa mialohan’ny hirotsahana amin’io sehatra io. Hoy ireo mpampiasa hoe « tsy mitady anjely izahay kanefa tsy hampiditra poizina anaty orinasanay izahay anefa ».

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire