Jason Fried : Ny fahaizana mifaly amin’ny kely hananana
sy voatery hitovy daholo ny fari-piainan’ny olon-drehetra : misy manana ny ampy, misy ny manana mihoatra noho ny ampy. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny fahaizana mampiasa izay eo am-pelatanana. Ny fahasambarana sy ny fahombiazana no ho eo anoloanao raha mahay misitraka izay hanananao ianao.
Mety tsy ho araka ny nirianao no hiseho eo amin’ny fiainanao kanefa aza atao sakana amin’ny fandrosoanao izany. Mety ho sakana tsy handrosonao ihany koa raha tsy manana ny ampy ianao, na eo amin’ny lafiny ara-pitaovana izany, na eo amin’ny lafiny ara-piaraha-miasa. Kanefa aza mba tia mana-saro-javatra eo amin’ny fiainana raha te-hivoatra sy ho tafita. Tsy milaza akory izany hoe, aza manome ny tsaratsara kokoa, fa tsy maintsy miainga amin’ny kely foana vao tonga ho lehibe. Mahaiza misitrika sy mampiasa izay kely hanananao. Raha olona telo ianareo no miara-miasa ohatra, mahaiza mifanamboatra sy mifampizara andraikitra ary ketreho ny ho avy. Aza miandry ny isan’ny olona ho folo vao hanao zavatra. Ny vokatra tsara indrindra vitanareo olona mpiara-miasa vitsivitsy no zava-dehibe.
« Vente en ligne no niaingako ary izaho samirery no manao izany, tsy mila livreur, tsy mila olona mpaka entana fa izaho ihany no miandraikitra izany rehetra izany. Tsy nataoko ho sakana ho ahy anefa hoe izaho irery no hanao izany, fa nanam-piniavana aho ary tena nilofo dia izaho tafita izao. Efa mitazona tranom-barotra lehibe iray ao Behoririka aho izao ary tena fanta-daza izany » hoy i Stéphanie, renim-pianakaviana.
« Raha tsy ampy rangaha ny ekipa, tsy afaka ny handroso mihitsy ianao a ! Tsy maintsy misy banga foana ao » hoy kosa i Kevin, tanora.
Manazava kosa i Jason Fried, mpanorina ny « 37signals » sy mpiara-manoratra ny « Rework » fa « tsy misy maharatsy ny mijanona ho kely. Afaka manao zavatra lehibe amin’ireo ekipa kely ireo foana ianao ». Izany no heri-tsaina nananan’ity olona iray ity ka nahalasa lavitra azy toy izao. Raha fintinina, tsiambaratelon’ny traikefa hananany izao teny nolazainy izao.
Tsara ary mety ny manao zavatra tsaratsara kokoa saingy tsy voatery hamorona ny tsy misy ianao. Izay eo am-pelatananao ihany no aoka ampiasainao raha te hivoatra aingana ianao. Noho izany, tokony ho olona firy farafahakeliny no afaka hisehatra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ? Mety handrisika azy ireo hamokatra vokatra tsara ve izany ?
Miangaly Rasoamihajamanana
