Alasora : Vehivavy iray no voatsatoka antsy teo amin’ny ranjony
Niakatra fampanoavana, ary nalefa vonjimaika tany Antanimora, ilay tovolahy 21 taona nahavita nanatsatoka antsy ny vehivevy iray tany Alasora nandritra ny fanafihana tao an-trano. Raha tsiahiviny ny zava-nisy ny 24 oktobra lasa teo, naharay antso ny Zandary fa misy fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny tokantrano iray any Alastinainy Fokontany Miadana, Kaominina Alasora. « Ekipa telo tato aminay no nijery ny zava-misy tany an-toerana tamin’izay ka efa nivorivory ny fokonolona tao an-tanàna no tonga ny Zandary ary efa tratra tao ilay tovolahy » hoy ny Zandarimaria ao Alasora.
« Notsindrominy tamin’ny antsy ilay ramatoa ary notereny hanome ny vola ka azony tamin’izany ny vola mitentina 200 000 ariary sy ny taratasim-bola roa tsy mbola misy na inona na inona » hoy ireo lasibatry ny fanafihana. « Tsy maintsy olona akaiky foana no mahavita manafika tokantrano tahaka izoa satria tsy misy olona hafa avy aty ivelany mahalala fa misy vola toy izao ao amin’io tokantrano io » hoy i Laurent, mponina any Alasora.
Nandritra ny famotorana natao no nahalalana fa rahalahin’ilay mpiambina ihany no nahavita ny zava-doza ary nanaiky ity heloka bevava nataony ity izy. Hita tao anatin’ny kitapon’ity tovolahy ity ihany koa ny finday sy taratasim-bola maromaro ary vola koreanina mitentina 100 won. Nampiakarina fampanoavana ihany koa ilay mpiambina sy ny vadiny ny talata 26 oktobra teo saingy nahazo fahafahana vonjimaika. Teo amin’ny ranjon’ilay mpiasa vavy kosa no voan’ny antsy ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza izy ka tsy nisy ny aina nafoy nandritra ity fanafihana ity.
Aoka hitandrina sy ho mailo avokoa isika hisorohana ny loza tahaka izao, tsy tokony hisy hahafantatra afatsy ny ao an-tokantrano ihany ny vola miditra ny tokantrano tsirairay satria ny ratsy tsy kely lalana.
Nicole Rafalimananjara
