ActualitésTsidika

Ankatso : Taratry ny fahantrana ny loto manamorona ny vavahady

Miparitaka ary midofaka ny fofona ratsy manolona ny vavahady hiditra ny oniversiten’Antananarivo. Mampitaraina, indrindra ireo mpianatra sy ny mpampianatra izay mandalo ao an-toerana ny loto sy ny rano miparitaka eo amin’ny fiantsonan’ny fiara 119.

“Tena izao no taratry ny fahantrana, tsy ny toeram-pivoahana no tsy misy ary tsy lavitra eto akory amin’ny sarany 100ariary monja kanefa dia alehon’ireo sasany eo ihany manao ny atao, mandoto ny tontolo tahaka izao. Ilay toe-tsaina mahantra mihitsy no mila ovaina satria tsy ireo mpitondra na ny tomponandraikitra ambony no manao maloto eto fa ireo olona manodidina eto ihany” hoy i Avotra, mpianatra ao amin’ny Sociologie.

“Iza moa npo tomponandraikitra amin’ny trangan-javatra tahaka izao? Anisan’ny zava-misy kanefa mahamenatra satria ety anivon’ny mpianatra no misy toerana tahaka izao. Tsy azo atao anefa ny manome tsiny be fahatany fa anisan’ny antony mahatonga izany ny tsy fahampian’ny fanabeazana, ny goragora eo amin’ny fitsipika na lalàna hifampifezana” hoy i Herimalala Ratsimbazafy, mpampianatra amin’ny anjerimanontolo.

Ny fifampitaizana ve no tsy ampy? Sa hakamoana sa fanahiniana atao ny zavatra tahaka izao ? iza no tomponandraikitra voalohany? Inona no vahaolana azo raisina satria ankoatra ny loto miparitaka mandoto eto dia tena tery ary ratsy ny lalana. Manao ny ataony ihany koa fiara mpitatitra.

Manitra R.

Laisser un commentaire