Alasora: Ho hamafisina ny andrimasom-pokonolona
Nanatanetraka fivoriana tamin’ity herinandro ity, ny ben’ny tanàna sy ny sefo fokontany ary ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaominina Alasora, niresahana momba ny fandriam-pahalemana. Tapaha nandritra izany ny fanamafisana ny hetsika andrimasom-pokonolona, arak any voalaza.
“Tapaka fa hamafisina ny andrimasom-pokonolona ary isaorana ny mpiara-miombon’antoka tamin’ny fanamboarana ny karatra famantarana. Entanina araka izany ny rehetra hitondra karatra manga raha tratra alina. Eny amin’ny fokontany no hangalana azy” hoy ny avy amin’ny kaominina.
“Efa ela no niandrasana izao hetsika izao, hirariana mba hisy vokany satria dia tena mamely ny asa fanendahana sy ny vaky trano. Ny fanentanana fanamafisana ny isan-tokatrano no tsy tokony hadinoin’ny tomponandraikitra satria maro ireo vahiny tsy fantatra eny amin’ny fiaraha-monina eny” hoy I Lydia, mponina ao Alasora.
Ao anatin’izany moa dia manentana ireo mpampiatrano vahiny ireo tomponandraikitra mba hanantona ny fokontany, hanoratra ireo vahiny ao aminy. Tahaka izany ihany koa ireo mpampanofa trano, dia tompon’antoka amin’ny fisoratan’ny mpanofa trano eny amin’ny fokontany.
