SocialTatitra

Gabon : Olona dimy tsy hita popoka taorian’ny fahamaizan’ny toby fitahirizana solitany

Olona dimy no tsy hita popoka taorian’ny hain-trano niseho tao amin’ny tobin-tsolika iray tany amin’ny faritra akaikin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’i Gabon, ny alarobia teo, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra avy ao amin’ity kaompania misahana ny fitrandrahana tao amin’ity toerana ity. Nirefodrefotra ny afo, izay naharatrana olona roa hafa ihany koa, tokony tamin’ny tolanandro teo no nitrangan’izany, izay nianga avy ao amin’ny tahalaka iray, antsoina hoe « Becuna ». Voafehy ara-potoana ny afo, ary avotra soa aman-tsara ireo mpiasa tavela tao an-toerana. Olona dimy no tsy mbola hita hatreto, ary tsy fantatra mazava ny tena antony nahatonga ity tranga ity.

Laisser un commentaire