France : Manaiky atao vaksiny ve ireo mpitsabo ?
Andro maromaro izay no nanombohan’ity ady hevitra ity tao France. Tsy maintsy manao vaksiny fanefitra amin’ny Covid-19 tokoa ve ny mpitsabo ? Tao anaty gazety nivoaka ny alahady teo dia mpitsabo 96 no nifidy fa ho raisina dieny izao ny tsy maintsy hanaovana izany vaksiny izany. Tafiditra amin’ity lisitra ity ireo mpitondra tenin’ny governemanta amin’ny haino aman-jery amin’ity valan’aretina ity. Nangataka ny hanatanterahana izany amin’ireo mpiasan’ny hopitaly sy ny “Ehpad” izy ireo, izay anisany mety mamindra ity aretina ity. Mangataka fandraisana fepetra alohan’ny volana septambra izy ireo mba hisorohana ny andiany faha 4 noho ny fifindrana sy fivoaran’ny « variant Delta » haingana loatra. »Ny fangatahana ny mpitsabo hanao vaksiny dia tsy fanondroana molotra azy » hoy i Olivier Véran, ministry ny fahasalamana, nandritra ny fetin’ny mozika Solidays natokana ho an’ny mpitsabo ny alahady teo. « Famporisihana azy ireo hanatanteraka hatramin’ny farany ny fanoloran-tenany izany » hoy izy. Efa eo am-panatanterahana volavolan-dalàna mahakasika izany indrindra ny governemanta sy ny praiminisitra Jean Castex ary nodinihina nanomboka ny alatsinainy niaraka tamin’ny mpitarika ao amin’ny parlemanta sy ny olom-boafidy eo an-toerana izany.
