ActualitésTsidika

Fomba fisaina : Manatsara hatrany ny kalitao

Maro ny efa misehatra eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ankehitriny. Tamin’ny alalan’ny filofosana sy ny fananana herin-tsaina no tena nahatanteraka izany. Vokatr’izany, tsy miantehitra amin’ny hafa intsony ianao fa efa manana ny orinasa ho an’ny tenanao manokana.

Zavatra telo lehibe no tokony tsy maintsy ataonao hampandroso ny fandraharahana izay ataonao.

Ny fiasana mafy no voalohany amin’izany : tsy maintsy miasa mafy ianao rehefa mandraharaha ary mitady hevitra hatrany hatrany hampivoarana ny orinasanao. Izany asa mafy izany no ahazoanao vokatra tsara avy eo ahafahanao mampitombo ny tombontsoan’ny orinasa izay tantanana.

Manaraka izany ny fahatokisan-tena, zava-poana ny asa mafy izay ataonao raha tsy mino akory ianao hoe tena hahalasa lavitra ny ho avin’ny orinasa izany. Zava-dehibe izany fahatokisan-tena izany eo amin’ny sehatry ny fandraharahana ka tsy tokony ho atao ambanin-javatra.

Ary farany, ny fifotorana amin’ny kalitao. Aza miasa mafy ho anao sy ny tombontsoan’ny orinasanao fotsiny fa jereo ihany koa ireo mpanjifa sy mpanaraka ny vokatrao. Ireny mantsy no tena iankinan’ny fiainan’ny orinasa izay tantananao. Ary azo lazaina mihitsy hoe ireny no mamelona anao sy ny fandraharahana izao ataonao. Ka noho izany, tsy tokony atao ambanin-javatra ny kalitaon’ny vokatrao.

« Tena ireo dingana telo ireo no arahina raha te hampandroso ny fandraharahana izay atao ny olona iray. Tsy misy azo atokana ireo na hajanona fa mifampiankina avokoa. Ireo no paik’ady hampandrosoako ny orinasako fa tena mandroso » hoy i Thierry, mpandraharaha. « Tsy voatery ireo irery no hifotoranao vao handroso ny fandraharahana ataonao. Mbola maro ny zavatra atao entina hampivoarana izany. Mila manana hevitra foana aloha ianao vao afaka miroso amin’ireo » hoy kosa i Ferdinand, mpandraharaha. Ataovy ao an-tsaina foana ilay fitenintsika Malgasy hoe : « izay nafafinao ihany no ho jinjainao » dia ho tonga saina ny amin’ny ho avin’ny fandraharahanao ianao.

Tokony hiezaka hitady hevitra sy hanitatra ny saina hatrany ny mpandraharaha rehetra mba tsy hitsaha-mandroso ny orinasan’izy ireo. Saingy hevitra manan-danja sy efa nandalo fisainana lalina no tokony ilaina amin’izany vao afaka ho lasa lavitra ny fandraharahana.

Miangaly Rasoamihajamanana

Laisser un commentaire