PolitiqueTsidika

Fifidianana 2023 : Ireo zavatra andrasana amin’ny CENI

Tao aorian’ny 6 taona nitarihan’i Hery Rakotomanana ny vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI, dia natolotra ny faha 29 oktobra 2021 lasa teo, tao Alarobia, ny tatitra momba ny asa nosahaniny nandritra ny fe-potoam-piasan’ny Birao maharitra nandritry ny taom-piasana 2015-2021. Fihetsika izay manamarina ny andininy faha 21 sy 63 ao amin’ny lalàna If. 2015-020 izay noraketina ny 19 oktobra ny taona 2015. Io adininy io izay mirakitra lalàna anankiroa mazava tsara ka ny voalohany amin’izany dia ny fanambarana fa :  » ny fe-potoam-piasan’ny mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana dia mandritry ny enin-taona tsy azo havaozina », ary ny faharoa kosa dia manambara sy manamafy fa :  » ny filohan’ny kaomisiona mahaleo tena misahana ny fifidianana dia tsy maintsy manao tatitra ankapobeny amin’ny fiafaran’ny fotoam-piasany ».

Raha tsiahivina, ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana dia natsangana mba hisian’ny fifidianana mangarahara nanomboka ny taona 2007. Raha raha ny fanambarana nandritry ny didim-panjakana natao ny sabotsy 30 oktobra 2021 lasa teo mikasika ny fahalanian’ireo mpikambana vaovao ao amin’izany rafi-panjakana izany dia voalaza fa ireto avy ireo mpikambana vaovao voafidy handrafitra ny CENI mandritry ny enin-taona manaraka :  Razafimamonjy Laza Rabary no voafidin’ny Antenimieran-doholona,  Houssene Abdallah no voafidin’ny Antenimieram-pirenena,  Fidimiafy Roger Marc no voafidin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana,  Jeannot Guy Georges Razafindraibe no voafidin’ny holafitry ny mpisolovava,  Andriamarotafikatohanambahoaka Ralaisoavamanjaka no voafidin’ny holafitry ny Mpanao Gazety ary i  Ravalitera Jacques Michaël sy i  Andriamalazaray Andoniaina no voafidin’ireo fiarahamonim-pirenena miorina ara-dalàna ary miantsehatra ao anatin’ny fanaraha-maso ny fifidianana. Ireo mpikambana roa izay tendren’ny Filoham-pirenena sy ny Fitsarana fara-tampony kosa dia mbola ho fantatra afaka andro vitsivitsy hoy hatrany io Fanambarana io.

Na dia teo aza anefa ny fahafantarana dieny mialoha ny tokony ahataperan’ny fitondran »ireo mpiandraikitra teo aloha sy ny tokony hisafidianana olom-baovao hasolo azy ireo indray, dia tsy nisakana ny mbola nisian’ny fisavorovoroan-kevitra ihany izany fanendrena vaovao izay efa voasoratara tanaty didim-panjakana izany. Ny alakamisy lasa teo mantsy dia notendren’ny Fitsarana Faratapony ho mpisolo-tena azy i Tiana Ifanomezantsoa, izay kaomisera mpisahana ny lalàna eo amin’ny Fitsarana Faratampony ihany. Ity farany izay nahazo salam-bato 72 tao anatin’ny vato 146 nataon’ireo mpitsara samihafa tonga nanao ny fifidianana. Ny tatitra momba io resaka dia haterina eo amin’ny filohan’ny repoblika izay hisahana ny famoahana ny didy momba io fandrena vaovao io. Teo anatrehan’izany anefa dia nanendry ny ho mpisolo tena azy ihany koa ny mpisolovava eo amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, ary ny voatendry tamin’izany dia Me Guy Jeannot izay voafidy ny 27 septambra lasa teo. Tao aorian’ny nanambarana io valim-pifidianana io anefa dia maro ireo mpisolo vava izay nitsipaka io fifidianana izay nokarakarain’ny biraon’ny filaminam-pirenena izay efa dila ny fe-potoana tokony nitondrany ka niteraka ady hevitra lehibe teo an-toerana izany. Manoloana izany dia lasa niteraka fizarazarana teo amin’ny roa tonta izany tsy fitovian-kevitra izany noho ny fieritreretan’ny andaniny fa tokony efa napetraka teo am-pelatanan’ny mpitarika vaovao io birao io izany fikarakarana ny fifidianana ny mpisolo tena vaovao izany fa tsy tokony ho andraikitry ny filoha teo aloha intsony. Etsy ankilan’izay koa anefa ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana na ny HCC (Haute Cour Constitutionnele) dia nanambara fa ny daty napetraka voalohany afaka ametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana dia tamin’ny voalohan’ny volana septambra lasa teo ho an’ireo izay manana faniriana hirotsaka ho mpisolo tena eo amin’ny Vaomiram-pirenena Mahaleo Tena Misahana ny fifidianana na koa ny CENI. Hatreto anefa dia tokony mbola tsy afaka haroso ny fifidianana raha tsy ampy 15 ireo manolo-tena hilatsaka hofidiana ao anatin’izany. Vokatr’izany tranga izany ary dia nihely ny sion-dresaka mikasika ny mety hiemoran’ny fifidianana na fitsaharany mihitsy aza noho ny antony izay mbola tsy tena mazava tsara akory aloha hatreto.

Eo Ankilan’izany rehetra izany koa anefa dia tapaka ho mpisolo tena an’ny OJM na « Ordre des Journalistes de Madagascar » i Soava Andriamarotafika ka voasokajy ho ao anaty mpikambana ao anatin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Niisa fito izy no nirotsaka ho fidiana ho mpisolo-tena tanatin’ity fifidianana izay nokarakarain’ny fivoriamben’ny mpikambana vaovao anatyin’ny biraon’ny OJM ny faha 29 oktobra lasa teo. i Soava Andriamarotafa moa raha tsiahiviny ny vato azony dia 30 tanatin’ireo mpandrafitra 47 anatin’ny OJM hatrany. Nanambara moa ity farany fa hanatanteraka an-tsitrapo ary am-pahamarinana ny asa izay hampandraiketin ho azy eo amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena moban’ny fifidianana na ihany koa ny CENI kanefa kosa dia mbola hitana hatrany ireo fifandraisana tsara nananany teo anivon’ireo mpanao gazety maro samihafa. Na dia eo aza anefa izany fandresena aon’ity farany ity dia mbola tsy azo lazaina ho tafavoaka ny ala sy mifaly ho mpandresy ka hitana ny anarana mpiolo-tenan’ny OJM izy hatreto. Raha tsiahivina raha ny lalàna mantsy dia solontena tokana ihany no mahazo alalana ho voafidy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny vondron’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena mihana ny fifidianana tsirairay na ny CENI, afa-tsy ny voafidy ho mpikambana ho solotena ao amin’ny fiarahamonim-pirenena ihany manan-jo hahazo seza 2 na solotena 2 anaty Vaomieram-pirenena. Anarana roa arak’izany no hatolotry ny OJM eo amin’ny Filohan’ny repoblika izay ahitana ilay mpandresy nandritry ny fifidianana izay nandraiketin’ny birao navoakan’ny OJM sy i Soava Andtriamarotafika. Ankoatra izay, ny mpikambana tsirairay ao amin’ny biraon’ny OJM, na ny miditra na ny mivoaka, dia mihevitra avokoa fa ara-dalàna soa aman-tsara ny fikarakarana io fifidianana io. Manoloana izany anefa dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny lalàna mifehy ny firenena no hanapahan’ny Filoham-pirenena ny tena ho solotenan’ny OJM eo amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momban’ny fifidianana izany.

 Ankoatra ny OJM, ny fitsarana faratampony, ireo fivoriambe maro samihafa, ary ny fiarahamonim-pirenena izay efa nahatanteraka ny fifidianana ireo izay ho solotenan’izy ireo tsirairay avy eo amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI dia nanatanteraka ny fifidianana ny ho solotenan’izy ireo koa ny eo amin’ny Antenimieran-doholona ny faha 30 oktobra lasa teo. Na dia nisy aza anefa io fifidianana izay notontosain’ny Antenimera io dia mbola tsy fantatra mazava hatreto izay tena voafidy ho solotena ofisialy azy ireo. Fa raha ny fantatra kosa anefa dia nahitana mpitsara, teknisianina taloha teo amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny Fifidianana, olon-tsotra mpitantana ary mpiasam-panjakana momban’ny toe-bola sy toe-karena tao anatin’ireo 13 izay nirotsaka ho fidiana solotenan’ny antemieran-doholona eo amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana. Raha ny fantatra dia efa maro tamin’ireo nirotsaka ho fidiana ireo no efa nirotsaka tao amin’ny fifidianana ho mpikambana tao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana teo aloha. Ny sasany kosa dia efa nirotsaka ho fidiana teo amin’ny Fitsarana avo moban’ny lalam-panorenana ny volana Martsa lasa teo saingy tsy anisan’ireo voafidy tanatin’izany.

Raha raha ny vaovao am-pelatanana momban’ny fanambarana ireo solotena tsirairay avy eo amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ary dia ny solotena avy amin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana na ny HCC sy ny avy amin’ny Filohan’ny repoblika sisa no andrasana dia feno ireo solotena sivy handrafitra izany biraon’ny solotena vaovao izany. Mbola tsy fantatra mazava anefa na ny ora na ny fotoana hamoahana ofisialy ireo solotena 9 ao handrafitra ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI saingy efa nambara kosa fa afaka andro vitsivitsy eo ho eo dia hivoaka io fanambarana ofisialy io.

Soarimiah Andrianarison

Laisser un commentaire