ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Nohamafisina ny ady amin’ny herisetra ara-nofo

Omena fotoana bebe kokoa hametrahana fitoriana ireo iharan’ny herisetra ao an-tokatrano, hoy ny minisitry ny fitsarana ny alarobia teo. Entina hamerenana ny fahatokisan’ny vehivavy ny fitsarana indray izany hoy izy, tao aorin’ny « féminicide » (famonoana vehivavy ao an-trano) nanaitra ny firenena.Hitarina ho roa taona tao aorian’ny tranga nahazo ny vehivavy iray niharan’ny herisetra ny fotoana ahafahany mitory. Nanambara nandritra io tatitra io ihany koa fa tsy azo atao ny maka sary na horonantsary vehivavy mampinono tsy nahazo alalana taminy, ary mety hisy sazy hatramin’ny roa taona am-ponja izany ny fandikana izany.Mihatra ao Angleterre sy Pays de Galles ireo fepetra ireo, ary efa voarakitra ao amin’ny lalàn’ny polisy, ny fitsarana ary ny fanamelohana heloka bevava.

Laisser un commentaire