ActualitésTatitra

Maurice : Nodimandry ny filoha teo aloha sady Praiminisitra Sir Anerood Jugnauth

Nodimandry teo amin’ny faha 91 taonany ny filoha teo aloha sady Praiminisitra Sir Anerood Jugnauth tamin’ny alina. Misaona tanteraka ny nosy Maurice ny amin’izao fahalasan’ny olomangan’ny politika any an-toerana izao. Lany ho filoha tamin’ny taona 2003 izy ary nitondra nandritra ny 9 taona be izao ka ny 30 Martsa 2012 no nialany teo amin’iznay toerana izany. Isan’ireo nanamarika ny tantaran’i Maurice i Sir Anerood Jugnauth satria sady teo amin’ny toeran’ny Praiminiistra nandritra ny 19 taona. Mbola saika nilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena aza izy ny nandritra ny fifidianana ny taona 2014 saingy tsy lany ka nahazo ny toerana ho Praiminisitra teo amin’ny faha 84 taonany. Tsy 19 taona nisesy akory no naha Praiminisitra aza fa nizarazara taona samy hafa fa raha atambatra dia manome 19 taona. Misaona mandritra ny roa andro ny firenena ka rahampitso no handevenana ny nofo mangatsikany, izay hotanterahana any amin’ny « jardin botanique Pamplemousses » amin’ny 2 ora tolakandro any an-toerana (1 ora eto Madagasikara).

Laisser un commentaire